Mofo baolina speciale

316

BERLINER- BOULE DE BERLIN - MOFO BAOLINA HAFAKELY
 

ZAVATRA ILAINA

- lafarina 350g
- dibera 50g
- ronono matimaty tapaky ny vera 
- siramamy izay tiana
- sira iray tsongo
- lavanila 1 sotro kely
- Atody 2
- lalovay "levure boulangere" 2 sotro kely

FIKARAKARANA AZY:

Anaty vilia jobo no atambatra daholo ny lafarina, sira, lalovay, siramamy, dibera,  afangaro tsara.
Kapohana mitokana aloha ny atody vao alefa ao amin'ilay voalohany ary tohizana afangaro tsara dia araraka ny ronono rehefa mifangaro tsara ka hita fa misy tsy ampy dia ampiana (lafarina sy ronono).
Rehefa tsy miraikitra aminy tanana dia saromana lamba amin'ny toerana mangatsitsiaka mandritra ny ora roa.
Avy eo fisahana ho 5 sm eo ho eo dia atao boribory amin'ny vera. Apetraka ambony vilia indray rehefa mahazo boribory maromaro dia saromana lamba mandritra ny 45minitra.

Afanaina ny menaka dia tsy atao mamay be fa manjary tsy masaka ny ao anatiny. Vao doré dia avadika ary azo avela ho fotsy ilay ampovoany manome loko fa masaka foana na izany aza ary tena mibotsina tsara ilay izy. Avy eo raha tiana dia ampandalovina amin'ny siramamy na rarahana "sucre glace" dia zay.

Fanamarihana:
azo asiana sesika ao anaty , avy amin'ny sac à poche na seringue : confiture, nutella, crème patissière, ...

Mazotoa  o 

Nahandron'i Boo Laylah 

Catégorie: 
Matériels: