Mofo baranjely

367

 MOFO BARANJELY ( beignet d'aubergine) 

Zavatra ilaina :
Baranjely 1
Hena voatoto 200g - 250g
sira sy izay hanitra tianao
menaka

Fikarakarana azy:

- Sasana madio tsara dia tapahana boribory eo amin'ny 1sm eo ny hateviny tsirairay
- Sasahana mitsivalana indray ilay boribory tsirairay teo fa tsy atao hatramin'ny farany.
- Alaina ny hena voatoto dia asiana sira sy izay hanitra tianao
- Volavolaina kely dia somary fisahana, atao latsaka kely noho ny savaivon'ny baranjely ny habeny.
- Atao anelanelan'ny baranjely tsirairay (mahazo toy ny "sandwich" kely maromaro isika eto)
- Avy eo manao "pâte à beignet" : lafarina sy ronono no ampiasana, atao marihitra tsara dia atsoboka tsirairay anatin' io ny baranjely voasesika
- Endasina amin'ny menaka mafana avy eo dia mahazo an'izao

Mazotoa o 

de Lyz l-Ann 

 

Catégorie: 
Matériels: