Mofo lakan'atody

296

 Mofo lakan'atody,

Zavatra ilaina:

Mofo,  atody 5 , fromage rapé, lardons, tongolo maitso , sira, dipoavatra, hanitra izay tiana

Fikarakarana azy:

- maka mofo salasalany tsy mitapaka ny lohany 2, manao lavaka manaraka ny lavany eo amboniny (fa tsy ny rirany akory, jereo ny sary) ary mahazo toy ny lakana kely rehefa, fa tsy esorina daholo akory ny ao anatiny an.

- tsara kokoa raha endasina ho menafify ny lardons, 

- afangaro ny atody 5, fromage rapé, lardons, tongolo maitso , sira, dipoavatra, hanitra izay tiana, fa somary hamelana kely ny fromagé rapé hanaromana azy 

- sesefana io fangaro io ilay mofo loaka, fonosina papier aluminium avy eo,

- ampidirina ao anaty lafaoro 180°C mandritra ny 10mn, tapitra izay dia esory ilay papier alu, tohizo anaty lafaoro 5mn mba hikarepoka ilay mofo. 
 

NB: - mazava ho azy fa efa misy ny lafaoro ady gasy ka azon'ny rehetra atao tsara ny mampiasa ny vilany , asiana taratasy ao ambany , na asiana fasika dia avadika sy takotra dia asiana afo eo amboniny.
      - afaka ovaina araka izay tiana ny ao anatiny raha tsy mihinana henakisoa dia afaka atao akoho, trondro, charcuterie volaille, fa zavatra efa masaka kosa fa atao mitambatra fotsiny ao anaty lafaoro. 

mazotoa daholo fa izay tsy manao ihany no tsy mahay an

recette de Bonbon Mamibe , photo de Daniella Lopez

 

Catégorie: 
Matériels: