Mofo tsy very

736

"MOFO TSY VERY"

"Mofo tsy very"
Izay no ataoko anarany,
Satria tsy ny Gasy irery,
No mahay ny tantarany!

Mofo maina izy io,
Alona atody sy ronono,
Ka izao no tadidio:
Endasina izy fa tsy atono!

Atody enina ampiasaina,
Amin'ny ronono iray litatra,
Ary mba hamelombelon'aina,
Mamio kely, izay no hitatra!

Rehefa milona tsara,
Dia avelao mba hitsika,
Avy eo endaso f'aza tara,
Ndrao potik'izy ka ho ratsy bika.

Rehefa mendy dia esory,
Asio siramamy raha tsy ampy,
Ary ts'hitahitanao akory...
Dia voky hatramin'ny mpanampy! ;)

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
Anio 22/07/2016

Catégorie: