Mofomamy akondro sy vovo-katsaka

513

MOFOMAMY AKONDRO SY VOVO-KATSAKA 

ZAVATRA ILAINA :
Lafarina 150g
Vovo-katsaka 150g
Atody 3
Siramamy 2sotro
Yaourt 1
Menaka 3sotro
Akondro 4

FIKARAKARANA :

1-homanina ny lasitra : osorana menaka sy fafazana lafarina dia potserina ny akondro

2-kapohana amin'ny "fouet" hifangaro tsara (raha tsy misy dia sotro rovitra fa elaela ) ny atody sy siramamy, avela ho fotsy dia alefa ny menaka sy yaourt

3-afangaro ny akondro sy lafarina sy vovo-katsaka dia alefa ao, ary aroina ifangaro tsara foana

4-Alefa anaty lasitra dia ahandroina 35minitra amin'ny lafaoro 180°C efa nafanaina mialoha na atao anaty vilany lehibe mitaingina ny lasitra dia avadika ny sarom-bilany ary asiana afo koa .afaka 40minitra eo masaka

Azo atao bain marie koa fa tsy maimay n'y tampony

Nahandron'i Tsito'Salohy Ravelomanantsoa 

 

Catégorie: