Mofomamy avana

416

MOFOMAMY AVANA

Toy izao ny fanaovana azy.
- Hafanaina mialoha ny lafaoro 180°C.
- Homanina ny lasitra, hosorana dibera fafazana lafarina.

ILAINA ho an'ny MOFOMAMY AVANA : 

Lafarina 350g
Siramamy 250g
Menaka tournesol 250 ml
Ronono 125g
Lalovay simika 2 sotrokely
Atody 4
"Colorant alimentaire" ( volomparasy, manga, maitso, loranjy, mavo, mena)

FIKARAKARANA :

- Kapohina ny atody sy siramamy, arotsaka lafarina sy lalovay efa natambatra, araraka tsikelikely ronono sy menaka. 
Zaraina @ "bol" maromaro ilay paty mba tsy hifangaro ilay loko.
- Arotsaka mifadimby ao anatin'ilay lasitra efa vonona ny paty miloko samihafa : farany ambany volomparasy, dia tsindrina manga, avy eo maitso, avy eo mavo, avy eo loranjy, avy eo mena, dia toy izay hatrany (eran'ny sotro isaky ny mandatsaka, ampifampitaingana hatrany no nanaovako azy, intelo miverina ny loko iray teto)
- Atao anaty lafaoro 180℃ mandritra ny 60 minitra vao sokafana jerena.

"CREME DIPLOMATE" :

"crème diplomate = crème pâtissière + chantilly"

ILAINA ho an'ny "CREME PATISSIERE" :

lafarina 2 sotro
tamenak'atody 2 
siramamy 2 sotro 
ronono 1/4 l ( raha tiana maritra tsara, fa 1/2 l raha mitsiranoka )

FIKARAKARANA :

- Kapohana hifangaro ny siramamy sy ny tamenak'atody
- tapohana ronono 1/4L raha tiana ho marihatra tsara fa 1/2L raha mitsiranoka)
- Atao eo ambony afo malefaka mandra-pangotrany, aroina tsy miato mba tsy hitambaingana sy tsy hiraikitra
- Atambatra amin'ny "crème fraîche" efa voakapoka (hantilly) koa avy eo.

ILAINA ho an'ny "PATE A SUCRE" :

"sucre glace" 450g
"gelatine alimentaire" 6g 
rano 30g
"glucose" na tantely 70g
dibera 16g

FIKARAKARANA :

- lomana amin'ny rano ny "gelatine" halemy dia fiazana
- hatsonika ny dibera
- afangaro ny "gelatine" efa malemy, ny "glucose" na tantely, ny dibera efa natsonika
- atambatra amin'ilay "sucre glace" dia volavolaina ohatra ny manao "pizza".
- Raha hanisy "colorant" dia zarazaraina ary ampiana "colorant" kely dia omena izay bika tiana.

FANAINGOANA :

- Zaraina 2 ny mofomamy, dia hosorana ilay lakirema teo, hosorana io lakirema io koa ny tapony dia haingoana "pâte à sucre" araka izay mahafinaritra anao.

 Nahandron'i ‪Tiana‬ Parlato

 

Catégorie: 
Matériels: