Mofomamy Belge

Portrait de Angie
580

"Gâteau Belge" 

Zavatra ilaina :

dibera 125 g
lafarina 250g 
siramamy 250g
atody 3
lalovay simika 1fonosana
ronono 150ml

Fikarakarana :

- Afanaina mialoha ny lafaoro 150°C
- Afanaina ny ronono sy ny dibera
- Atao anaty bol ny lafarina, ny lalovay, ny siramamy ary ny tamenak'atody 3
- Araraka ao ny ronono sy dibera efa nafanaina teo (matimaty) ary aroina tsara.
- Kapohana hisavovona handroatra fotsy ny tapotsiny ary afangaro amin'ny fangaro teo aloha, aroina moramora.
- Atao anaty lasitra efa voaomana ary ahiditra anaty lafaoro 150°C mandritry ny 30 minitra.

Nahandron'i Mi Lainah Bach

 

Catégorie: