Mofomamy mananasy1

393

Gateau à l'ananas - mofomamy mananasy 

Zavatra ilaina

Atody 10
Lafarinina 300g
Siramamy 300g

Mananasy 1
Siramamy 250g
Vinaingitra 1 sotro fihinana

Fikarakarana azy :

Kapohana hiakatra ny tapotsin'atody, dia rehefa miakatra dia arotsaka ny siramamy dia kapohana ihany. Arotsaka ny lafarinina. 

Manao caramel: siramamy 250g sy rano 3 sotro ary vinaigre 1 sotro fihinana: atao ambony afo malefaka

Rehefa vita ny caramel dia arotsaka ao anaty moule, dia arotsaka ny mananasy voatetika alahatra tsara.

Arotsaka ny paty.

Atao masakevoka (à la vapeur) : izany hoe mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ilay lasitra misy an'ilay paty dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy mandritra ny ora iray eo ho eo.

Azo soloina izay voankazo tiana ny mananasy 

Mazotoa o

nahandron'i Soa Mahaliana

 

Catégorie: