Mofomamy Mpifankatia

571

MOFOMAMIN'NY MPIFANKATIA

GENOISE 
Zavatra Ilaina ho an'ny "génoise" :
- Atody 4
- lafarina 120g
- siramamy 120g

FIKARAKARANA :
- kapohana tsara ny tamenak'atody sy siramamy mandra-pahalevony sy somary lasa fotsy
- arotsaka ny lafarina (tsy arodana be fa tsara alefa amin'ny pasoara dia afafifafy), aroina mora ("spatule" no ampiasaina dia somary alorina avy any ambany no miakatra dia atontona kely ilay "spatule")
- osorana menaka kely ny lasitra dia fafazana lafarina
- Araraka ao ny paty, dia alefa anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 25 - 30 minitra eo.

 

 "Crème au beurre meringuée" 

Zavatra ilaina ho an'i lakirema:
tapotsin'atody 2
siramamy 120g
rano 40g
dibera 180g
hanitra sy loko (raha tiana)

FIKARAKARANA:

- atao anaty "casserole" ny siramamy dia rakofana rano, ahandroina mandra-pahazo sirop ("petit boulet"), tsy aroina mihitsy
- mandritr'izay, kapohana ny hisavovona ny tapotsin'atody 
- Alaina ilay "sirop" mbola mafana iny, dia arotsaka tsikelikely ao amin'ny tapotsiny (en filet) sady tohizana tsy an-kijanona ny fikapohana azy mandra-pangatsiakan'ny fangaro fa manjary masaky ny siramamy mafana ny atody (io no antsoina hoe "meringue italienne")

- kapohana ny dibera malemy nasiana hanitra (menthe sy coco ny ahy teto). Eto koa no arotsaka ny loko raha hanisy.
- Rehefa somary miova loko sy mihamaivana ny dibera dia alefa ny antsasaky ny "meringue", afangaro, dia alefa indray ny ambiny, aroina mora. Vonona.

Ampitomboina arak'izay fatra ilainao io fatra io.

3) Zaraina 2 na 3 ny mofomamy, lemana kely amin'ny ranon-tsiramamy dia hosorana lakirema. Rakofana ny tapony dia raozy natoraly sy ribà, kaofitiora kely sy "pépite de chocolat" no nanaingoana azy.

"Ny fitiavana no lehibe indrindra" hoy i Andry Rungi izay 

Nahandron'i Lah Andria

 

Catégorie: