Mofomamy paoma

933

ODY AM-BAVA FO : MOFOMAMY MISY PAOMA AMIN'NY VILANY

Tsy hoe ny manana lafaoro ihany no afaka manao mofomamy fa afaka manao izany koa na dia amin'ny vilany aza fa sady tsotra ihany koa. 

ZAVATRA ILAINA :

Paoma 2
atody 2
siramamy 100g (ka 50g hanaovana tamberina)
kikina hodim-boasary makirana maitso 1
lafarina 120g
lalovay simika 1/2 sotrokely
dibera natsonika 50g

FIKARAKARANA AZY :

- Tetehana amin'izay itiavanao azy ny paoma (lavalava ny ahy teto)
- kapohana ny atody sy siramamy 50g, rehefa levona tsara dia arotsaka ny lafarina efa nasiana lalovay simika, afangaro
- arotsaka farany ny dibera efa natsonika, afangaro
- Misafidy izay vilany tianao hanaovana ny mofomamy (ilay vilany tsy miraikitra ny ahy teto), manao tamberina amin'ny siramamy 50g ambiny, alefa ny paoma voatetika, nampiana kikina hodim-boasary makirana maitso, aroina
- Aparitaka eo amboniny ny paty efa voaomana avy eo, saronana ny vilany dia tanehana amin'ny afo malefaka mandritry ny 15 minitra. Tsindromina ka rehefa tsy misy manaraka dia masaka. Ampiana kely ny fe-potoana raha tsy masaka.
- Esorina ambony afo, dia avadika ambony lovia, dia vita (izany hoe ilay paoma nosaronana paty no lasa ambony rehefa avadika)

Fanamarihana : 

- nanampy ronono 3sotro tamin'ny paty aho teto fa ohatry ny maina be
- afaka ovaovaina ny voankazo (fa tsara raha voankazo misy ranony) : pibasy, melon, poara, akondro, ....

Araho an-tsaryny fikarakarana 

Mazotoa o !

Catégorie: