Mofomamy paoma sy sokolà

Portrait de Angie
503

MOFOMAMY amin'ny PAOMA sy SOKOLA (apple and chocolate cake")

 

Zavatra ilaina:

- Siramamy 1 kopy
- atody 3
- "cannelle" vovony 1/2 sotrokely
- "extrait de vanille" 1 sotrokely
- ronono 1 kopy 
- sokolà vovony (na chocolat tablette koa mety tsara)
- lafarina 2 kopy
- dibera 1 kopy
- lalovay 1 fonosana (11-12g)
- paoma 2 lehibe

Fikarakarana azy :

- Kapohana amin'ny "fouet" na "batteuse" ny siramamy sy ny atody
- arotsaka ny dibera efa natsonika
- arotsaka ny "cannelle + extrait de vanille"
- ampiana ny lafarina sy lalovay: eto dia tsy atao amin'ny "fouet" na "batteuse" intsony fa atao amin'ny sotrohazo (spatule).
- tetehana efamira madinika (en dés) ny paoma dia arotsaka ao koa
- afangaro ny ronono ny vovoka sokolà, raha ventiny dia azo atsonika "bain marie" na afaka afanaina amin'ny "micro onde" raha ilaina, dia afangaro ao daholo
- maka lasitra efa nasiana dibera na menaka sy lafarina kely na koa maka "papier cuisson" atao lafika amin'ny lasitra dia araraka ao ny fangaro ,

 

Fahandro azy: 
Afanaina mialoha ny lafaoro 190°C -15 minitra
Alefa anaty lafaoro ny nahandro 190°C mandritry ny 35 minitra.
Mazotoa daholo.

Nahandron'i Voahangy Treves

 

Catégorie: