Nems trondro

94

NEMS TRONDRO !

Ho avy indray ny pâques rankizy,
Hifady hena ka dia izao no izy :

Manamboara nems @ trondro,
Fa aleo io toy izay mofo akondro !

Ahandroy ny petits pois, carotte ary ovy,
Dia mandanjà trondro ataovy mitovy,

Rehefa masaka daholo izy ireo,
Dia ny légumes tetiteteho,

Ny trondro indray, ny taolany esory,
Sy ny hodiny izay manorisory,

Avy eo afangaroy daholo,
Dia asio poivre, sira, tongolo !

Ny fonony efa ao @ fichier,
Ny haingony sisa atao marobe :

Hitanao ve ilay pousse de maïs ?
Tsy maninona akory raha tsy misy !

Ao koa ny chou fleur sy ny oignons
Ny carotte, poivron mena, cornichons !

Décors tsy misy haingitraingitra 
Fa fotsiny, efa nalona vinaingitra !

Ary salade moa lafika ihany,
Ka ahoana hoy ianao @ izany ?

Avelao ho avy eo izay karemy !
F’afaka manendy ianao tsy hisy mpiteny !!!

Raha ohatra ka misy… blèm !
Tsy maninona aza asiana « j’aime »

 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

 

Catégorie: 
Matériels: