Nofon-kena voasesika

355

NOFON-KENA OMBY VOASESIKA (cordon bleu)

 

Zavatra ilaina:

- nofon-kena (filet na tranche fine na koa nofon'akoho, nofom-borontsiloza...)
- lafarina
- atody
- didina "jambon cuit" maromaro
- didina fromazy maromaro
- sira -dipoavatra
- dibera
- potimofo (chapelure )

 

Fikarakarana azy:

1- velarina manify hahazo tevina 1sm ny hena
2- tetehana efamira 8 à 10sm eo
3- sokafana ho toy ny boky ny hena, asiana sira, dipoavatra ary tongolo gasy dia avela hilona.
4- apetraka eo amboniny ny didina "jambon", avy eo ny didina fromazy
5- hidio tsara amin'izay ny hena
6- Asoka anaty lafarina ny hena teo
7- ampandalovina atody voakapoka
8- ampandalovina amin'ny potimofo 
9- Maka dibera dia atsonika anaty lapoaly, endasina ao ny hena efa voakarakara, tsy atao mahery loatra ny afo sao may ny ivelany nefa tsy Masaka tsara ny atiny.

Mazotoa o 

de Hniony Raz

 

Catégorie: