Omelette aux sardines

121

LAOKA : ATODY SY SARDINE

Zavatra ilaina:

Sardine 1 boaty, 
atody 2,
sira,
menaka
tongolo 1

Fikarakarana azy:

- sokafana ny boaty sardine dia ariana ny menaka tao anatiny (tsy dia mahasalamana) dia potipotehina ny sardine ,

- kapohana ny atody arotsaka ao anatin ilay atody ny sardine ary asiana sira kely 

- hafanaina ny lapoaly rehefa mafana tsara dia asiana menaka oliva kely

- ary arotsaka ny tongolo voatetika majinika, atao afo malefaka, rehefa miova loko dia arotsaka ny fangaro atody sy sardine dia rehefa maina tsara fao avadika.

- azo aroso miaraka amin ny vary maina dia nampiarahana amin ny lasary voatabia kely , na koa vary sosoa

Mazotoa homana ary

Nahandron'i chef Tia 

 

Catégorie: 
Matériels: