By Andry Rakotomavo
Ovy mitsiky
Ovy mitsiky - patate sorriso / faccine di patate (italien) - galettes de pomme de terre "smile"/ croquettes smile (francais)
Zavatra ilaina :
Ovy 500g
lafarina 100g
sira, menaka ary chapelure
Azo asiana fromage rapé koa
Fitaovana ilaina:
sotrokely sy pupette , vera na zavatra azo atao boribory
Fikarakarana azy:
Andrahoina amin'ny hodiny ny ovy (asiana sira ny rano mba tsy ho vaky )
Rehefa masaka dia potserina , araraka ny lafarina, asiana sira izay tiana
Rehefa mitambatra tsara lasa boule dia velarina ambony latabatra, rarahana lafarina toy ny manao pate ireny ny latabatra mba tsy hiraikitra. ho ahy dia nasiako papier cuission teo amin'ny latabatra dia apetraka ny boule ovy dia nosaromako papier cuisson indray izay vao kosehina amin'ny
rouleau, ka rehefa fisaka tsara dia naka sarona biberon aho (aza hihomehezana fa iny no hitako teo akaiky teo) dia natao boribory nanapahana ny pate, avy eo dia naka pupette nanaovana ny masony , ary sotrokely nanaovana ny vavany, somary tsy nivoaka tsara ny sasany fa sady milalao moa miaraka amin'ny ankizy no manao azy zareo , fa dia milay foana.
nafanaina ny menaka ary aloha'ny androtsahana azy dia ampandalovina ao anaty chapellure aloha vao nalefa tao anaty menaka rehefa miova loko dia avadika ary rehefa esorina dia apetraka ambony "essui tout - sopalin - emballage" mba hitsika ny menaka
ny anay moa nohanin'ny ankizy niaraka tamin'ny akoho natono fa dia lany tokoa moa izany.
Mazotoa o
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire