Pate brisée vita an-trano

972

PATE BRISEE FAIT MAISON
 

Raha hanamboatra pate brisée na "frolla" hoy ny italien dia afaka manao ao an-trano raha tsy te hividy vita fa dia mora tokoa 

ZAVATRA ILAINA:

250g lafarina, (na koa zaraina roa dia lafarina “integrale” 100g + lafarina tsotra 150g)
125g dibera malemy, (avoaka mialoha mba halemy)
sira 1 tsongo,
atody 1 (na rano na ronono kely)
siramamy kely 

FIKARAKARANA AZY 

Atao ambony latabatra ny lafarina dia lavahana eo afovoany , arotsaka ny dibera efa malemy sy sira ary siramamy dia akambana amin'ny ratsan-tanana atao mifangaro tsara ka mahazo ohatran'ny fasika ianao dia arotsaka ny atody dia volavolaina atao boribory dia fonosona "papier film"ary avela hipetraka 30minitra na ora iray eo, fa misy kosa anefa tonga dia mampiasa azy avy hatrany.
 

Fangaro azo atao anatiny : azo ovaina araka ny fotoana sy izay misy.
- Paoma : Manao "compote" amin'ny paoma : voasana dia tetehana, asiana siramamy izay tiana, asiana rano kely ary atao ambony afo mandrapaha-rihitra
- kaonfitiora frezy sy kiwi : kaofitiora frezy efa vita dia kikisana ny kiwi amin’ny fikikirana karoty ilay madinika indrindra dia afangaro tsara. Azo ampiana siramamy raha tiana
- Paoma sy kaonfitiora frezy : kisisana ny paoma amin’ny fikikirana karoty ilay madinika indrindra dia afangaro tsara. Azo ampiana siramamy raha tiana
- Sokolà nutella

Rehefa vita izay dia natao tao anaty lasitra ny “pâte brisée” efa no fisahana (apetrako ambony taratasy  “papier cuisson” dia mora bataina) avy eo tsindromina amin'ny sotro rovitra ny paty.
Araraka ao anatiny izay tiana
Atsofoka tao anaty lafaoro 180° mandritry ny 25minitra eo, araky ny lafaoro io . 

Araho an-tsary ny fikarakarana azy

Mazotoa o 

Catégorie: