PIROSCHK na chausson

40

TSAKITSAKY NA ODY AM-BAVA FO -GOUTER 
 

ZAVATRA ILAINA

- Ho an'ny paty:
lafarina400g,
sira 1sotro kely,
lalovay ( levure boulangère) 1 sotro,
dibera 60 g ,
atody 1,
ronono matimaty 1/8l 

- Ho an'ny sesika:
thon na sardine na saumon fumé,
dipoavatra
thym,
tongolo be
tongolo gasy
menaka
saosy soja  ( andrahoana masaka tsara izy rehetra raha tokony masahana)

FIKARAKARANA AZY :

- karakaraina ny sesika : endasina amin'ny menaka kely ny tongolo be sy tongolo gasy voatetika madinika avokoa, ary asiana ireo hanitra tiana : dipoavatra, thym, saosy soja r rehefa maty afo vao arotsaka ao ny thon na sardine na saumon fumé , thon fumé voatetika madinika ihany koa dia atokana 

- manao ny paty maka bol dia atao ao ny lafarina, sira ary dibera dia volavolaina tsara amin'ny tanana ,arotsaka ny atody afangaro tsara, alefa tsikelikely ny ronono matimaty dia afangaro tsara

 - asiana lafarina ny latabatra dia kosehina eo ny paty hifangaro  sy hitambatra tsara 

- avela hipetraka kely eo ihany "temps de pause " 30 minitra

- velarina amin'ny "rouleau" na tavoahany ny paty ho fisaka 0,5 sm

- maka "emporte pièce" izay tiana ny bikany , ohatra boribory dia azo atao amin'ny vera , mba hahazo endrika izay tiana 

- asiana sesika eo ambonin'ny pate ary hidina dia asiana lakoly aminìny lafarina sy rano na amin'ny tapotsinatody

- endasina amin'ny menaka mandifotra azy , ary avela hitsika ambony "papier absorbant"avy eo aroso 

Mazotoa aby e!!!

Nahandro sy sarin'i Hanitriniaina Angeline

 

Catégorie: