Pizza à la poèle

29

PIZZA AMIN'NY LAPOALY 

Na ny tsy manana four aza ka mba te hihinana pizza dia afaka manao izany amin'ny fomba mora indrindra ka mampiasa ny lapoaly 

Pizza 6 isa 

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 500g

lalovay Saf Instant 1 fonosana

sira 1 sotrokely

siramamy 2 sotro fihinanana

menaka 2 sotro fihinanana

rano mamay 1/4L (mamay fa tsy matimaty)

 

FIKARAKARANA :

- Atambatra ireo rehetra ireo, alefa tsikelikely ny rano mandra-pahazo bola mitambatra tsara. Volavolaina 10minitra. Mila maina nefa malefaka tsara ny paty.

- Atao anaty "bol" lehibe ary saromana lamba tsara mandritry ny 1ora na mihoatra, tsy atao akaiky vava rivotra.

- Lasa avo 2 heny izy aorian'izay.

- Zarao 6 indray ny paty.

- Fisahana tsirairay ka raha mbola tsy zatra dia asiana lovia eo amboniny ary ahodina ahazoana boribory tsara , azo atao koa hoe esorina amin'ny antsy izay mikivilavila.

- Fangaro (garnitures) : manao "coulis de tomate + tongolo voakiky+sira+siramamy+ "sardine" ambifotsy (en boîte) + "estragon" sy "basilic" maina fa ireo no nisy tato (azo soloina thym na origan na basilic lena)

- Hosorana menaka ny lapoaly, atao malefadefaka ny afo ary arotsaka ny paty.

- Rehefa somary mahazo loko ny lafiny iray, dia avadika ary apetraka avy hatrany ny fangaro sy ny fromazy voakiky.

- saromana ny lapoaly hampitsonika ny fromage.

- Raha toa ka mahery be ny afo dia bataina ny lapoaly ary avela hisarona mandra-pitsoniky ny fromage. 

Azo atao koa bolognaise :coulîs de tomate, thym, totokena... , na koa charcuterie, akoho , na legumes , fa zavatra efa masaka avokoa fa atambatra sisa miaraka amin'ny fromage 

Saromana ny lapoaly ka raha vao mitsonika ny fromage dia vita.

mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Onitriniaina Rova Andriantsoa sy Vero Randriam

Matériels: