Poivron farci

413

SAKAIBE VOASESIKA - Poivron farci

Zavatra ilaina: 

poivron, tongolo, voatabia, tongolo gasy, vary masaka, persily , menaka, rano , sira.

Fikarakarana azy:

Rehefa voadio tsara ny poivron, afaka ny voniny tao anatiny. Dia fenoina tongolo, voatabia, tongolo gasy, vary masaka, persily . Ireo rehetra ireo notetehana madinika daholo sady nendasina miaraka.

Asiana rano 2 vera sy menaka ary sira kely aloha vao alahatra ny poivron voasesika.

Atsofoka anaty lafaoro efa nafana 200℃ mandritra 30minitra, rehefa vita dia saromana tsara dia lay entona no mampahalemy ny sakaibe ( manamora ny fanalana ny hodiny ho an'izay tsy tia ).

NB: azo atao amin'ny vilany koa moa izy ity andrahoina amin'ny afo malefaka tsara fotsiny

Mazotoa o

nahandron'i Tiana Parlato

Catégorie: 
Matériels: