Pommes frites

158

 

zavatra ilaina:

ovy, menaka, sira, vinaigre

Fikarakarana azy :

Tetehina ny ovy araka izay habeany tiana fa ny tsara dia atao somary manify ary tokony atao mitovy. (ny ahy tsy mba ataoko lavalava izany mantsy ny ovy )
Sasana tsara ho afaka ilay rano fotsy mandrotra iny.
Ampangotrahana ny rano dia asiana sira kely sy vinaigitra 1 sotrokely ny ahy eto fa ny tokony ho fatra izany dia 1 sotro lehibe ho an'ny ovy 1kg.
Arotsaka ao ny ovy, tsy avela malemy fa vao somary masamasaka dia esorina avy atrany
Atsika eo ambony lamba mba ho maina tsara sy hangatsiaka.
Ary atao anaty sachet dia asitrika anaty refrigerateur ivaingana.
Afanaina tsara ny menaka mahadifotra azy, azo arotsaka rehefa tena mamay ny menaka an!!!
Dia ilay ovy tsy atao mivaingana be fa ny ahy izao dia 3h ihany no tao avy eo dia endasina.
dia tena marina fa dia mikarepoka ny ivelany ary masaka tsara anatiny.
Nanesokesoka aby ny kilonga
Mazotoa indray o

Ingrédients: 
Catégorie: