Poulet aux poireaux

402

AKOHO nampiarahana tamin'ny POIREAUX 

Zavatra ilaina : 
Akoho  
Poireaux
Sira 
Menaka : 2 sotro fihinana 
Dipoavatra
Tongolo gasy voakiky 
Sakamalao voakiky 

Fikarakarana azy : 

1. Rehefa voadio sy voakaraka tsara ny akoho dia atao ao anaty bol, arotsaka ao ny sakamalao sy tongolo gasy voakiky dia Avelao hilona. Mba ampahazo tsara ny tsiro ny akoho dia tsindrotsindromina amin 'ny cure dent na vy masikita ireny. (Ny ahy alina dia efa nalonako )
2. Tetehina ny poireaux dia sasana ary avela hitsika eo. 
3. Maka vilany dia afanaina ao ny menaka 2 sotro fihinana. Rehefa mafana dia endakendasina ao ny akoho. Ka ny faritra misy ny hodiny no atehaka amin ny vilany voalohany. (Ho antsika izay tsy manala ny hodiny )
4. Rehefa mendimendy dia esorina ao anaty vilany ny akoho. Ary arotsaka ao ny poireaux sy ny poivre dia harorona tsara dia Saromana eo amin ny 5 minutes eo.
5. Rehefa tapitra ny 5 minutes dia apetraka eo ambon 'ny poireaux ny akoho. Saromana ary afo malefaka hatrany no ampiasaina. 
6. Rehefa ritra dia vita. 
Marihina fa tsy mila asina rano fa ny ranotsasany ny poireaux dia vita. 
7. Naroso niaraka tamin ny vary sy lasary voatabia. 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

de Soa Bonheur Bourmance

 

Catégorie: