By Andry Rakotomavo
Poulet farci
Poulet farci
Zavatra ilaina:
akoho 1, totokena 125g, champignon noir 1 sachet, ovy, tongolo maintso, sira, menaka.
Fikarakarana azy:
- Sasana ny akoho dia esorina daholo ny ao anatiny , ary asiana sira na anatiny na ivelany
- Endasina miaraka amin ny tongolo maintso ny totokena ,
- Alona anaty rano ny champignon noir rehefa mivelatra tsara dia tetehina madinika dia endasina miaraka amin ny totokena koa asiana sira
- Rehefa vita izay dia asesika ao anatin ilay akoho ilay fangaro dia zairina ilay nanatsofohina azy!
- Voasana ny ovy ilay majinika dia asiana menaka sy sira, miaraka atao amin'ny plateau miaraka amin'ny akoho,
Atao anaty four 250 degré dia atao ambony ambany ny afo , 1h na arakak izay mahamasaka azy fotsiny
Mazotoa o
de Voon Rasetry Andriamora
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire