Rambon'omby sy tsaramaso

343

Rambon'omby sy tsaramaso

Zavatra ilaina: 
rambon'omby, tsaramaso, sira, menaka, sy izay tiana afangaro hanome tsiro toy ny voatabia, tongolo be, tongolo gasy, sakamalaho, sns ary ny legioma izay tiana ihany koa. 

Fikarakarana azy :
Notanehina miaraka aloha ny tsaramaso sy ny hena ary ireo fangaro manome tsiro ka rehefa malemy tsara dia sarahina.
Ny tsaramaso atao rony rehefa avy nisy sira, 
Ny rambon'omby atao saosy miaraka amin'ny legioma zay tianao eto dia haricot vert.
Afaka aroso miaraka amin'ny lasary kely ,fa ny ahy teto dia karaoty ! 

dia mazotoa ary e!
de Saholy Irene

Catégorie: 
Matériels: