salade d'oranges

45

Salady voasary - Salade d'oranges

Tena mora atao indrindra sady tsara no mahasalama ny salade d'oranges, 

zavatra ilaina:

voasary, tongolo be na tongolo maintso, ravina "menthe frais" (raha tia) , sira,menaka oliva,  dipoavatra. 

Fikarakarana azy:

Voasana ny voasary esorina tsara ilay hodiny fotsiny iny dia tetehina boribory na "en dé" araka izay tiana , tetehana ny tongolo be na tongolo maintso,  asiana ravina "menthe frais", asiana sira, dipoavatra ary menaka oliveaary aroso avy hatrany mba tsy hiteraka ranom-boasary be loatra. 

ny anay matetika aroso miaraka amin'ny hena natono na koa hohanina amin'ny charcuterie sy fromage ary mofo 
mazotoa homana o

Catégorie: 
Matériels: