Salady kiwi.

44

SALADE KIWI - LASARY KIWI 

Ity lasary kiwi ity indray dia tsy dia mahazatra ny hafa angamba fa saingy tena tsara fa feno vitamine.
Lafo tokoa ity voankazo ity ao Madagasikara satria avy any am-pita saingy isika moa misy malagasy manerantany dia mba zaraina ho an'ny sasany kosa sao mba mora any aminy. 

ZAVATRA ILAINA :

tongolo be,
persil,
voatabia
kiwi tsy dia masaka loatra. 
sira
menaka oliva
voasary makirana
dipoavatra 
 

FIKARAKARANA AZY:

Novoasana ny kiwi dia nosasana kely indray fa sao misy ilay volo kely tavela
Notetehina lavalava, nasiana tongolo be sy voatabia voatetika ary persila 
Manao saosy voasary makirana sy menaka oliva asiana sira sy siramamy kely ary ny dipoavatra raha tiana dia vita 
 

Mazotoa o 

 

Catégorie: 
Matériels: