Salady orita

225

Salade orita ( salade de poulpe):

fomba fandrahoana Orita 
NB: raha mbola tsy madio no vidiana dia mila jerena tsara ny loko raha vao tsy mangirana izy dia tsy frais an. Esorina ny masony sy ny nifiny fa tsy tetehana , somary kapokapohana , izany hoe alaina dia akapoka amin'ny latabatra hiasana ao andakozia ary tena heno miova miha malemy izy. vita izay vao sasana tsara.
raha efa voasasa kosa no vidiana dia kobanina dia tonga dia azo atao izay hitiavana azy, na andrahoina na ho endasina na ko atono.

zavatra ilaina:

orita, karoty, céleri, tongolo gasy,  citron, huile d'olive , sira, persil

Fikarakarana azy:

andrahoina ny orita lehibe tsy tetehana , miaraka amin'ny carotte kely sy celeri voatetika lehibebe dia tongolo gasy kely 1 mba manome tsirony,
atao anaty vilany be io misy rano atao mangotraka dia arotsaka ao ilay orita efa madio , misy fomba roa eto: 
1. avoaka dia ampidirina 4-5 fois eo aloha ny orita izay vao avela ao tanteraka , zany hoe raisina izy dia atsoboka anaty rano dia avoaka dia averina foana izay geste izay, in-5 eo izay vao avela ho eo ambony afo malefaka eo amin'ny 30 à40 min eo , alohan ny hanalana azy dia somary atsofoy ny fourchette raha malemy dia vita an 
2. Ny faharoa kosa dia arotsaka ny orita dia andrahoina mandritry ny 20 minute dia vonoina ny afo ary tsy sokafana ny vilany fa avela ao mandrapangatsiana ny rano, mitovy ihany ny haleminy avy eo ,
miankina amin'ny fotoana izany na ny charbon sy gaz ampiasaina 
Rehefa masaka dia tetehina dia asiana vinaigrette : citron sy huile d'olive , sira ary tsy adino ny persil atao bebe an.

Mazotoa

Catégorie: 
Matériels: