Sandwich d'aubergine

Portrait de Angie
1053

Miarahaba am-pifaliana

SAKAFO FENO na FANOKAFAM-BAVONY : SANDWICH D'AUBERGINE - CAPRESE DI MELANZANE (italien)

Specialité italien indray ity ary ho azy ireo moa dia hohanina amin'ny mofo na amin'izao fa ho antsika azo atao laoka raha hafa ihany ny lalan'ny vary 

ZAVATRA ILAINA

baranjely 
mozzarella
voatabia
sira 
menaka 
basilika
origan

FIKARAKARANA AZY 

Didina boribory manify 1,5 sm eo ny baranjely asiana sira (mba hiala ny ranony) dia atono ary atokana 
Tetehana manify ihany koa ny mozzarella sy ny voatabia 
Alahatra amin'izay : baranjely dia asiana mozzarella iray dia voatabia dia asiana basiliko avy eo dia menaka kely ary farany origano, dia miverina baranjely indray dia tohizana 2 na 3 hahavony araka izay tiana dia azo aroso toy izay raha hohanina mangatsiaka.
Azo atao koa anefa ny hoe mampiditra azy anaty lafaoro 200 C mandritry ny 15 minitra eo fotsiny azo rarahana chapelure kely eo amboniny amin'izay dia aroso mafana

Mazotoa 
Sary 12 juillet 2017 Italia

 

 

 

 

Catégorie: