By Andry Rakotomavo
Struffoli
STRUFFOLI : specialité napolitain , izay misy isan-tokantrano mandritry ny fety ny Noely. Toy ny mofo baolina kely feno tantely sy haingony kely izy ity.
ILAINA :
Paty :
Lafarinina 400g, atody 3, rhum na anice (karazana rhum io) 1 sotro, hoditra voasary makirana sy voasary voakiky, sira 1 tsongo , dibera 40g
Fangaro:
siramamy sy tantely mitovy fatra , rano kely , perla na confit hodimboasary atao haingony
FIKARAKARANA :
Toy ny manao pizza ihany
- Atambatra avokoa ireo zavatra ilaina ka rehefa mitambatra dia atao boribory dia avela hipetrakafara fahakeliny 1ora.
- Aorian'izay fisahana dia atao lavalava ohatry ny fanondro vao tapatapahana.
- Endasina amin'ny menaka mandifotra azy, tsifina tsara
Fangaro :
- Atao ambony afo malefaka ny vilany misy siramamy sy tantely mitovy fatra tapohana rano kely mba hitsonika ho lasa fotsofotsy ny lokony
- Afangaro tsara amin'ilay paty efa voaendy vao ravahana araka izay tiana
Fanamarihana :
Ny ahy zay nisy tato an-trano ihany no nampiasaiko : perla kely miloko isankarazany, fa azonao atao koa hodim- boasary sy voasary makirana andrahoana amin'ny ranon-tsiramamy, avela ho maina vao tetehina madinika dia atao haingony.
- Azo tsy asiana rhum fa soloina ranomboasary kely , na izay zavamanitra tiana atao toy ny lavanila
Mazotoa o
Nahandron'i Tiana Parlato
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire