Tiramisù 2

Portrait de Angie
1102

MOFOMAMY : TIRAMISU - Mofomamy italiana 

tena mora atao tokoa izy ity ary ny mascarpone no tena zava-dehibe aminy 

ZAVATRA ILAINA :
- biscuit boudoir 2 fonosana
- siramamy (fatrany izay hitiavanao ny hamaminy)
- mascarpone 250g
- crème chantilly 750 ml
- kafe (ranony)
- cacao (vovony) kely

FIKARAKARANA AZY :
- Kapohana hiakatra ny crème chantilly sy ny siramamy ; rehefa mitambatra tsara dia arotsaka ao ny mascarpone, dia tohizana kapohana indray.
- Maka lasitra ka alahatra manodidina ny boudoir ( io arakaraky ny paoziny moule ampiasainao)
- asiana crème ny fanambanin' ny lasitra,
- atsoboka anaty ranon-kafe ny boudoir, avy eo alahatra eo ambonin'ny crème.
- Asiana crème indray, avy eo boudoir nampandalovina ranon-kafe, dia toy izay hatrany
- farany, rarahana vovoka cacao ny tampony .
- ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritry ny 8ora raha kely indrindra.

Mazotoa o !

Sary sy nahandron'i Faraniaina Rasandiharisoa 19.11.17

Fanamarihana: tsindrio raha te hanamboatra mascarpone vita an-trano 

 

Ingrédients: 
Catégorie: