Tsa tsiou sinoa

Portrait de Angie
1103

LAOKA NA TSAKITSAKY: PORC CARAMELISE' - TSA TSIOU 

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina.

 

ZAVATRA ILAINA:
 

- soron-kisoa fisapisaka

- tongolo gasy sy sakamalaho voakiky

- saosy soja

- romarin

- tantely

- siramamy mena

- menaka, sira sy dipoavatra raha tia

 

FIKARAKARANA AZY
 

- afangaro ny sakamalao sy tongolo gasy voakiky, sauce soja, tantely, siramamy mena, menaka, sira, dipoavatra

- rehefa mifangaro tsara ireo dia afangaro amin'ny soronkisoa, karokarohina tsara ary arotsaka farany ny romarin notsongotsongoina

- saromana dia ajanona hilona adin'ny 4 eo ho eo, afangarongaro tsindraindray

- afanaina 240° C ny lafaoro. Ampidirina 30 minitra ny hena dia avadika amin'ny lafiny iray indray dia ampiana 30/minitra fanindroany.

Azo endasina amin'ny afo malefaka na atono koa raha tsy misy lafaoro.

 

Mazotoa o

 Ity dia fampiharana ny nahandron'i Minosoa. 

Andry Mamina 06.01.18

 

Catégorie: