Varanga

1173

LAOKA : VARANGA 

Sakafo tena malagasy natao anaty lafaoro izy ity 

ZAVATRA ILAINA:

henomby, 
tongolo be, 
tongolo gasy
dipoavatra
Sira

FIKARAKARANA AZY 

-Andrahoina halemy ny hena ny alina mandritra ny adiny 3 na 4 eo miaraka amin'ny tongolo sy sira ary dipoavatra dia avela hangatsiaka -Nasiako rano sira ary poavra ary saromana hiketrika 2 ora @afo malefaka
-Rehefa maraina , iny efa malemy tsara iny ilay hena dia siratsirahana manaraka ny firafitry ny hena,. 
- Ampidirina anaty lafaoro ho maina tsara sy hikarepoka.
-Asiana sira vao “fleur de sel”na dipoavatra “baie rose”

- Raha tsy misy lafaoro dia azo atao amin’ny lapoaly ary tsihifina ambony “papier absorbant” mba hitsika tsara ny menaka

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin 'i Niry Rafi 27.02.19

Ingrédients: 
Catégorie: