vary amin'anana sy brochette de poisson

87

zavatra ilaina:

anatsonga, tongolo maitso, kotomila, patsa mena maina, echalotte, tongolo gasy, sakamalaho, nofona dorade, combava, menaka sira

Fikarakarana:

- brochette : tetehina ho efa mira ny nofona trondro, lomana combava sira, tongolo gasy, menaka kely, dia atono 

- vary amin'anana: ​afanaina ny menaka kely, arotsaka ny echalotte notetehina madinika, sakamalaho voakiky, tongolo gasy voatoto, tongolo maintso notetehina madinika iahany koa, rehefa mamoaka fofona manitra tsara dia arotsaka ny patsa mena voatoto, alefa ihany koa ny anana voatetika madinika, haroina hifangaro tsara. arotsaka ny vary mena avy eo ary haroina hatrany, izay vao asiana rano tokony ahamasaka azy,
aroso miaraka amin'ilay nofona trondro natono
mazotoa e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: