Vary sy legioma

258

vary sy légumes isan-karazany 

zavatra ilaina :
Ambim-bary, karoty, korzety, voatabia, persily;
-Na thon a l'huile, na sardine a l'huile, na miettes de crabe , atody
-Menaka oliva , na tournesol (zay misy)
-Vinaigre fotsy ,na voasary makirana (zay misy)

Fikarakarana azy:
- Mahandro vary , na mampiasa ambimbary  
-Sasana ny legumes,ny salady refa voasasa lomana rano asiana vinaigre kely!
-Tetehina 2 na 3 ny korzety sy ny karoty!
-Maka vilany asiana rano sy sira ampangotrana, avy eo esorina eo ambony afo,arotraka ny karoty sy korzety saromana!
-Atao ao anaty sopiera ny vary, asiana sira , vinaigra ,(na) voasary makirana! sarasarahana ny vary afangaro tsara!
- voaina ny sardine, tatavanina lay menaka aminy, atao aminy kopy,
- kapohana ny at aody dia endasina atao omelette!
-Potehina reo!
-Tsifina ny ranon' ny salady
-Alaina ny lapoaly asiana lay menaka sardine! endasina kely lay salady, tsy atao ela!! esorina avy eo avela mangatsiaka!
-Tatavanina ny karoty sy korzety,endasina kely daholo! aza atao be menaka !fa mba tsy hiraikitra fotsiny!
-Arotsaka ao anatin'ilay vary daholoi reo asiana voatabia na tsia (zay tiana) angaro tsara , atao farany persily sy tongolo
-Ianao no manadrana na ampiana sira na vinaigra na menaka (zay tianao)
-Mazotoa daholo o!!!

de  Lila Rajohnson

 

Catégorie: 
Matériels: