By Andry Rakotomavo
Lasary saosety 1
      Soumis par andry le lun, 02/16/2015 - 07:21    
  
  84
LASARY SOSETY NA SAOSETY - christophine , chouchoute anarany avokoa
ZAVATRA ILAINA:
saosety,
mayonnaise,
atody,
vinaingitra,
sakaibe,
menaka,
sira,
dipoavatra
tongolo maintso na persila
FIKARAKARANA AZY
- Andrahoina aman-korany ny atody
- Tetehina ny saosety rehefa voadio dia andrahoina,ary rehefa masaka tsy atao malemy be dia avela hangatsiaka,
- asiana mayonnaise sy saosy vinaingitra kely miaraka amin'ny menaka, sira sy dipoavatra
- endasina kely ny sakaibe "poivron" tsy atao masaka be koa, asiana sira sy dipoavatra koa araka izay tiana,
- afangaro tsara daholo ny rehetra
dia mazotoa e 
 
Nahandron'i Fifi Ranaivo
Catégorie: 
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire