Baranjely frity

329

Baranjely frity - Aubergine frite 

zavatra ilaina:

baranjely, atody, farine, chapelure, menaka, sira

 

Fikarakarana azy :

Atao rondelle Fisapisaka ny baranjely. avy eo dia ampandalovina ao anaty lafarine, avy ao indray ampandalovina ao anaty atody voakapoka nasiana sira, ary farany ao anaty chapelure. Atao panné izany no hilazana azy io. 
Endasina vetivety anaty menaka mandifotra azy . 
Azo atao anaty four koa à 200° 20 min eo fa asiana papier cuisson aloha dia beurre na menaka kely dia apetraka dia asiana menaka kely avy eo amboniny , fa tena kely an

Tsara io satria sady azo atao laoka no azo goûter koa satria mety daholo.

NB :- azo voasana azo tsy voasana ny baranjely, izay tiana ihany fa tsara ny hodiny ka tsy tokony ho ariana, raha voasana dia afaka endasina mitokana iny hodiny iny matsiro foana. 
- mampatsiro azy kokoa asiana sira dia avela hipetraka kely hanary ny rano ao anatiny ny baranjely , avy eo fafana tsara ary dia atono kely avadibadika tsy vaotery ho masaka be an 
- ny chapelure dia azo vidiana eny amin'ny mpivarotra, nefa azo soloina mofo efa maina be ireny totoina ka lasa vovoka toy ny farine, na koa corn flakes ,

mazotoa o
de Evelyne Ratsimbazafy 

Catégorie: 
Matériels: