Bol renversé

345

 Bol renversé

Ho an’olona roa 

Zavatra ilaina:
Vary 1 kapoka
legioma :
korzety 1
karoty 2
Poivron 1
haricot vert 200 ar
nofon-kena tranche fine 150 g
Sauce soja 3 càs
Atody 2
voatabia 1
Ravintsalady 2
Tongolo maitso 100 ar
sira
menaka 

Fikarakarana azy :
- Andrahoina ny vary, atao maina tsara
- Tetehina madinika ny hena dia endasina tsy atao mendy be dia esorina amin'ny vilia.
- Tetehina lavalava ohatran'ny poziny hena koa ny legioma rehetra dia endasina ao anatin’ilay menaka avy nanendasana ny hena dia asina sauce soja dia araraka ao ny tongolo maitnso efa voatetika (tsy atao ritra be loatra)
- Endasina atao oeuf sur plat ny atody
- Maka vilia bol kely iray dia apetraka ao anatiny ao ny hena efa voahendy, manaraka azy eo ny legumes sauté farany ny vary dia afatratra tsara
- Maka vilia fisaka iray dia apetraka eo ny ravintsalady sy rondelle voataby dia ahohaka eo akaikiny eo ilay bol efa misy ny rehetra dia apetraka moramora eo aminy farany ambony eo ny oeuf sur plat dia aroso mafana.

Dia mazotoa homana daholo e!!
De Mikanto Traiteur  afaka mandray anao tel 0340204203 - 0330880778 na manoratra ao amin'ny pejy.

Catégorie: 
Matériels: