Caca pigeon

16

Tsy mila makany amin ny grande surface intsony raha te hihinana ny tsara, afaka misafidy izay fomba tiana hanaovana azy amin'ireto nozarain'ny namana ireto :

 

recette 1 de Haingo Ravaka Rahaingoharimbolatsoa

zavatra ilaina : lafarina 1kg, 45g siramamy, 15g sira, 1/2 fonosana lalovay, atody 2, 1/8 dibera (250g),menaka 4 sotro, rano matimaty izay ampy

- afangaro tsara ny lafarina, sira, siramamy , lalovay 

- ampiana ny dibera sy menaka dia kosehina hiparitaka (sabler) tsy misy mivaingana

- asiana atody: potsipotserina sy volavolaina

- asiana rano mafana kely: volavolaina tsara hikambana ,tsy atao boledaka

- avela hipetraka 30minitra

- fisahina manify tokony ho 1cm dia aforitra, averina fisahina indray, averimberina ary atao mihamanify, rehefa tokony ho1,5 à 2mm eo ho eo dia tapahina lavalava amin'izay, endasina amin'ny menaka tsy mahamay be! Andramo fa malefaka be ny caca pigeon-ntsika!

Azo asiana epice!

 

recette 2 avy amin'i Angie Boutax

Zavatra ilaina : - lafarina 500g - atody 2 -  dibera 125g-lalovay simika 1 fonosona - rano 25cl ,- sira ½ sotro kelyl

(azo esorina ny lalovay simika sy ny rano dia soloina labiera)

Caca pigeon dia toy izao ny fanaonay fa araka izay tiana ny fatrany, atambatra ny lafarina, atody asiana dibera, lalovay, rano iray vera, asiana sira, rehefa mitambatra tsara dia avela maka aina adiny 2 eo ho eo.

Raha  manana milina fanaovana paty na "machine à pâte" dia atao amin'iny manafisaka azy dia tetehina araka izay habehany tiana, endasina dia vita.

Raha tsy misy milina kosa dia azo atao araka ilay fomban-drazana, velarina amin'ny tavoahangy ho fisaka dia tetehina aryendasina. 

 

Hevitra hafa ha astuces : natolotr'i Bonbon Mamibe

- asio vetsin kely 1 tsongo fa tena tsara 
- na koa asiana fromage fondu toy ny vache qui rit ireny miharo ilay pâte (option au fromage io),
- na asio vovona curcuma et safran koa ilay pâte, 
- asio dipoavatra bebe ho re tsara ny tsirony raha tiana
- asio thym 
- asiana "huile de sésame" koa efa reko fa miova ny tsirony hono
- ...sns,
---> atao amin'ny pâte daholo ireo an

Mazotoa o 

Sary fampiharan'i Angie Boutax, Aina Rakotoarisoa, Bonbon Mamibe, Haingo Ravaka Rahaingoharimbolatsoa

 

Catégorie: 
Matériels: