Cake à la banane

78

Cake à la banane​
zavatra ilaina

- 4 akondro masaka tsara
- 200g lafarina 
- 150g siramamy
- 2 atody
- voasary na voasary makirana 1
-1/2 "sachet lévure" ( lalovay)
-1 "sachet sucre vanillé"
-20g dibera (ho an'ny lasitra)
-100g dibera 

Fikarakarana azy

- potserina ny akondro
- kapohina ny atody, arotsaka tsikelikley ny siramamy, ranomboasary makirana na voasary , ny lalovay, kapohina hifangaro tsara 
- Arotsaka ny lafarina
- Avy eo afangaro miaraka daholo anaty akondro voapotsitra
- afangaroina tsara izy rehetra 
- osorana dibera ny lasitra, arotsaka ao ny fangaro

Fahandro azy:

- Lafaoro vazaha:  hafanaina 15min mialoha ny lafaoro  ary andrahoina mandrtritra ny 45 mn à 180° ny cake
- Lafaoro gasy : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . Jerijerena fa miovaova ny fotoana hahamasahany.

Afaka hohanina mafàna na mangatsika 

Mazotoa o
Nahandron'i Tess Rajaona

 

Catégorie: 
Matériels: