cake banane

83

Zavatra ilaina

ahazoana cake 2 ampy olona 10 (moule GM) :

- lafarinina 0,5kg
- akondro 1kg
- siramamy mena 1/4kg
- atody 4
- lalovay na levure biologique (lay miendrika atodinjavatra kely amin'ny hazo ireny ny paoziny) 
- karbonetra : 1 safo vavan'ny sotrokely
- yaourt maison 1
- menaka erak'ilay boatin'ny yaourt teo ambony (125grs eo ho eo)

Fikarakarana :

- levonina amin'ny rano kely ny levure, afangaro amin'ny lafarinina sy ny karibonetra avy eo
- voasana ny akondro ary potserina amin'ny "fourchette" ho potsika tsara
- kapohina miaraka ny atody sy siramamy 
- arotsaka ao anatin'ny atody sy siramamy voakapoka ny lafarinina efa voafangaro
- haroina tsara amin'ny "spatule" ary alefa tsikelikely indray avy eo ny akondro voapotsipotsika
- rehefa mifangaro tsara ny rehetra dia arotsaka ny yaourt, ary afangaro tsara
- afatra ny menaka erak'ilay boatin'ny yaourt teo ary arotsaka
- haroina hifangaro ho lasa mifandray tsara ny paty
- afanaina mialoha ny lafaoro 180 °C
- asiana taratasy ny fanambanin'ny lasitra (na "papier pelure" aza dia mety. Fadiana kosa ny mampiasa taratasy efa misy soratra satria noho ny ranomainty mitera-doza) 
- osorana menaka ny lafin'ny lasitra rehetra, raha tsy misy pinceau dia atao amin'ny fanondro
- fenoina sahabo 3/4 ny lasitra, atsofoka anatin'ny lafaoro, ary andrahoina sahabo ho 50 min eo ho eo
- tsy sokasokafana mihitsy fa ny fofony no hamantarana fa efa tokony hojerena amin'izay raha masaka
- atsatoka eo amin'ny cake ny lelan'antsy madio ka rehefa tsy misy paty miraikitra manaraka intsony fa madio tahaka ny nidirany no nivoahan'ny antsy dia masaka ny cake
- vonoina ny lafaoro, izy mafana no esorina ilay taratasy natao lafika

VITA TOMPOKO. MAZOTOA HOMANA O !

Nahandron'i Minosoa Raoniarimanga

Catégorie: 
Matériels: