Gateau de crepres à l'orange

294

Zaraina am-pifaliana hatrany sady afaka manao crèpes tsotra eto no afaka manao "gateau "

GATEAU DE CREPES A L’ORANGE

1. crêpes

ZAVATRA ILAINA: 
-- Pâte à crêpes (mahavita 12 isa) 
lafarina 250g,
atody 3,
ronono 1/2l,
siramamy 1sotro,
sira 1 tsongo,
dibera 50g,
kikina hoditra voasary 2 tsongo.

FIKARAKARANA: 
Afangaro anaty bol ny farine, sira, siramamy, atody ary ny ronono,
atsonika ny dibera dia alefa ao amin’ny paty,
avela hilona 30mn,
endasina avy eo

2. Crème voasary

ZAVATRA ILAINA:
voasary 2,
voasary makirana 1,
atody 2,
sucre glace ½ pot yaourt,
kikina hoditra voasary 2 tsongo,
dibera 60g

FIKARAKARANA: 
Afangaro ny ranona voasary, ranona voasary makirana, ilay kikina hotsitra voasary ary ny sucre glace.
Alefa tsirairay ny atody ka kapohina hatrany anaty bain marie ( mampangotraka rano dia atombina ao ny lovia misy ny fangaro dia ao no kapohina), rehefa manome " mousse" tsara dia avela hangatsiaka mba ho zakan’ny ankihikely.
Alefa ilay dibera natao malemy tsara avy eo ary kapohina hifangaro.
Avela hangatsiaka vao ampiasaina..

3. Gâteau :
--- afanaina ho 150° ny lafaoro, asiana menaka na dibera ny lasitra (atao mitovy habe amin’ilay crepe, ny ahy teto lasitra 24cm), asiana crepe 1 ao anatiny dia asiana ilay creme voasary, dia saromana crepe indray dia creme voasary dia toy izany hatrany ary faranana amin’ny crepe. 
Ampidirina lafaoro mandritra ny 25 mn, avela hangatsiaka vao alana anaty lasitra.
--- Decoration : fafazana sucre glace, didina voasary ary mini choco noir natsonika
Mazotoa o

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: 
Matériels: