Lasary legioma sy curry

59

Lasary legioma sy curry

zavatra ilaina:

karaoty,
laisoa,
harikovera,
tongolo be,
tongolo gasy,
sira,
dipoavatra,
curry na tamotamo.
vinaingitra na voasary makirana
menaka

Fikarakarana azy

Somary endasina amin'ny menaka izay tiana fa tsy atao be loatra ny tongolo be voatetika sy ny tongolo gasy voatoto dia asiana curry avy hatrany.
Sasana madio tsara dia tetehina madinika sy manify koa ny legioma ary alefa araka ny hahamafiny ao anaty lapoaly :
harikovera, karaoty ary farany laisoa.

Asiana sira sy dipoavatra raha tiana.
Tsy atao masaka loatra amin'izay mikarepoka kokoa.
Avela hangatsiatsiaka vao asiana vinaingitra na voasary makirana
dia mazotoa homana

nahandron'i Andry Mamina

 

Catégorie: 
Matériels: