Mofo akondro - Mofo fontsy

4

MOFO AKONDRO - Mofo fontsy  na koa hoe mofo kida
 

Afaka misafidy izay tiana eto isika :

1 nahandron'i Mioratantely Fidivololona

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 240 gr,
lalovay na "levure" 2 sotro kely,
sira 1 tsongo,
atody 2,
menaka 150 ml,
siramamy 160 gr,
akondro.

FIKARAKARANA AZY:

Kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy, arotsaka ao avy eo ny menaka dia tohizana hatrany ny fikapohana.
Rehefa  izay dia atao ao ny fangaro (lafarina sy sira ary levure) dia afangaro tsara , ary avela mipetraka mba hilona ora 1 eo. 
Arotsaka ao ny akondro dia endasina amin'ny menaka mafana ho menafify tsara. 
Afaka potserina  tsara koa ilay akondro dia afangaro amin' ilay pâte. 
Afaka asiana totom-boanjo sy vanille kely.

 

2 Recette de Veronica Amor : "mofo akondro hafa kely" 

ZAVATRA ILAINA:

-akondro 6 
-atody 2
-siramamy 75g
-lafarina150g
-menak

FIKARAKARANA AZY:

- potsehina amin'ny "fourchette" ny akondro 6, avy eo afangaro amin'ny atody 2.
- arotsaka ny siramamy dia afangaro tsara mba ho levona
- arotsaka amin'ny fangaro tetsy ambony ny lafarine dia afangaro.
- Maka kely amin'ny sotro dia atao izay forme tiana ho azo
- afanaina ny menaka dia endasina amin'izay ny mofo.

Mazotoa o

 

Catégorie: 
Matériels: