Mofo laisoa 2

334

MOFO LAISOA indray ary ô. 

Zavatra ilaina
Nozaraiko 4 ilay laisoa 1 iny dia ilay ampahefany no nataoko. 
1/4 laisoa 
Voatabia 2
lafarina (tsy misy fatrany fa arakaraky ny olona no maha betsaka na kely azy)
Sira sy dipoavatra ary rano 
Menaka fanendasana 

Fikarakarana azy:
Tetehana majinika lavalava ohatry manao lasary ny laisoa. Avy eo ampangotrahana (ny ahy nataoko vapeur fa afaka atao manta koa ), andrasana mangatsika. 
Tetehana majinika ny voatabia. 
Afangaro ny laisoa ny voatabia ny farine ny sira sy ny poivre. Afangaro tsara ireo. Rehefa mifangaro tsara ireo dia asina rano tsikelikely ka rehefa hita fa tsy marihitra be no tsy matsora be dia vita izy izay. 
Endasina amin'ny menaka mandifotra azy ary mafana tsara , rehefa vita dia apetraka amin'ny essui tout na emballage hitsika ny menaka 
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

de Soa Bonheur Bourmance 

 

Catégorie: 
Matériels: