Nems sy salade

91

Nems sy salade

Ity indray ary ny manaraka,
Nems sy salade miaraka !

Alaivo ny hena kisoa,
Toroy ho potika tokoa !

Alaivo koa ny hen’omby,
Dia totoy raha ts’izay tsy mahomby !

Cheveux d’ange sy champignon noir
Coriandre koa mba ho manitra tsara !

Dia asio sira sy carotte râpée
Ary poivre fa tsy atao be dia be !

Tsy adino ny tongolo gasy
Kely fotsiny manjary tsy lasa… !

Dia afangaroy izy rehetra ireo,
Ny fanaovana ny fonony ao @ fichier ao jereo !

Dia ahorony araka ny voalaza ao
Dia endaso fa ho tahaka an’izao !

Ary raha ohatra ka tian-dry,
Lafio salade ary asio voatabia !

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

Catégorie: