By Andry Rakotomavo
Petit cake salé
Zavatra ilaina;
ronono 10cl,
atody 3,
lafarina 150g,
lalovay 1 fonosana (11g),
sardine 1 boaty kely ,
sakaibe maintso symena na "poivrons"
tongolo maintso kely,
tongolo oignon 1 ,
sira
dipoavatra,
fromazy voakiky 60g,
Fikarakarana azy:
- Maka bol dia afangaro daholo ny ingredients ireo : ronono, atody, lafarina, lalovay, ariana ny menaka ao anaty sardine dia potipotehana,
- tetehana majinika ny sakaibe na "poivrons", tongolo maintso ary tongolo oignon, dia arotsaka ao anaty bol koa, asiana sira sy poivre ary ny fromazy voakiky. Afangaro tsara.
- maka lasitra dia asiana menaka na beurre dia atao anaty moule ny fangaro ,
- Hafanaina mialoha ny lafaoro ary dia ato anaty lafaoro 180 degré, masaka eo amin'ny 10mn eo
mazotoa daholo ary
Nahandron'i Fenitra Jeandot
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire