By Andry Rakotomavo
Salade de riz aux crevettes
Soumis par andry le lun, 02/16/2015 - 16:58
85
SAKAFO FENO: SALADE DE RIZ - SALADY VARY
Tsotra tokoa ny manao salade de riz , izay sakafo mora atao amin'ny andro mafana ary mety ho an'ny lehibe sy ny ankizy.
Zavatra ilaina
vary 2 kapoaka
crevettes efa masaka 200g
thon anaty boaty 200g,
kokombra voatetika madinika,
tongolo maintso,
persily,
menaka oliva,
ranomboasary makirana na vinaingitra
carry,
dipoavatra,
sira,
Fikarakarana azy
Andrahoina anaty rano mangotraka efa misy sira ny vary ilay manifinify lavalava tsara ireny
Rehefa masaka dia atao anaty tsatokaty na averina ao ambilany
Tetehina daholo ny fangaro rehetra dia afangaro ao.
Asiana sira sy menaka ary vinaingitra
Mazotoa daholo ô!
Nahandron'i Moniques Claire Malala - sary nindramina
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire