Sauce bechamel

261

SAUCE BECHAMEL

ZAVATRA ILAINA:

- dibera 40g

- lafarina 40g,eo @ 3 sotro fihinana tsy atao feno be ny sotro

- ronono ¼, (raha lafo loatra ny ronono, afaka atao rano tsotra, fa rehefa vita ny saosy ka miala eo ambony afo, asio tamenak'atody 1 ary aroroy tsara)
- sira sy dipoavatra

 

FIKARAKARANA AZY:

- alefa anaty "casserole" ny dibera, avela mitsonika tsara, fa tsy mandrôatra,

- arotsaka ny lafarina, haroina tsara ifangaro,

- avy hatrany dia alefa ny ronono, haroina tsara be koa, mba tsy hisy itambongana, ary asiana sira sy dipoavatra,

- vita rehefa hita ny rihitra tiana, raha tiana arihitra be, dia avela ambony afo elaela no sady harona tsy akijanona, rehefa vita dia alana ambony afo amin'izay
 

Mazotoa o

 

 

Catégorie: