tarte tatin

Portrait de Angie
147

Tarte tatin indray anio e ! Toy izao no nanaovako azy. ( tsy pate sablée no nataoko an ) 

zavatra ilaina :

farine 250g + levure chimique 1càc - Siramamy 200g + 50g ho an'ny caramel - beurre 200g - atody 4

Fikarakarana azy:

1) - Manao caramel @ moule hanaovana ny tarte ; avela hangatsiaka eo rehefa vita. 
2) - Voasana ny paoma; dia alana ny voany , silatsilahana @ halavany avy eo.
3) - Mandra mpamaofy ny paoma dia efa mangatsiaka ny caramel efa mipetraka @ moule; ka ilay paoma efa voatetika teo dia halahatra tsara amin'ny moule misy fond caramel
4) - Kapohana miaraka ny atody 2 + tamenany 2 + siramamy 200g
5) - Atao pommade ny beurre 
6) - Ny farine efa nafangaro tsara tamin'ny levure chimique ; dia hafangaro kapohana miaraka @ atody sy siramamy + beurre pommade
7)- Hatao neige ireo tapotsin'ireo atody 2 tery @ voalohany izay nalana t@ ireo tamenany 2; ka hafangaro moramora @ ireto fangaro rehetra ireto. Vita ny pate.
8)- Harotsaka @ ilay moule efa misy an'ilay caramel sy paoma @ zay io pate io; haparitaka tsara ho takona tsara daholo ny paoma.
9)- Atao anaty lafaoro 180°; ary avy eo ampidinina 150° mba ho masaka tsara ny ao anatiny. Tsindronina @ antsy hijerena raha masaka; (rehefa tsy manaraka ny antsy ny pate d masaka )
10) - Maka plateau iray hamindrana ny tarte rehefa vita : avadika eo ambonin'io plateau io avy eo ( izany hoe ahohoka ; ka lasa ny paoma indray no ambony )
Dia mazotoa mamerina sy mihinana daholo e ! 
Tsy hoe io nataoko io no tena tsara; fa nahafaly anay mianakavy aloha ny nihinana azy e ! hihihi Tsara be ny tsirony an ! malefaka be ny pate !

de Emma Rasoarimalala

Catégorie: 
Matériels: