Tartelette aux fruits

79

TARTELETTE AUX FRUITS

 

1- Ho an'ny paty tartellete
ZAVATRA ILAINA  
-250g lafarina
-100g "sucre glace"
-1 atody
- sira1 tsongo
- 200g dibera

FIKARAKARANA AZY
- Afangaro ny lafarina sy siramamy ary sira
- Arotsaka ao ny dibera ary rehefa mazaho "pâte" somary mivaingambaingana dia arotsaka ny atody ary afangarohina ahazoana "pâte homogène" sy malama tsara
- Apetraka atsasakadiny ao anaty frigo

- velarina ny paty dia tapahana boribory amin'ny "emporte pièce": lehibe kokoa noho ny lavaka, apetraka ambony lasitra ary tsindronina tsirairay amin'ny "fourchette"dia ampidirina anaty lafaoro

 

FAHANDRO AZY: efa nafanaina mialoha hatrany ny lafaoro na gasy na vazaha
- Lafaoro gasy : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
- Lafaoro vazaha : Atsofoka anaty lafaoro 200°C mandritry ny 10-15 minitra. mila jerijerena

 

2- Ho an'ny crème patissière

ZAVATRA ILAINA
- 4 tamenak'atody
- 1 sotrokely farine azo avy amin'ny katsaka
- 1/2 lavanila
- 100 siramamy
- 75g lafarina
- 2 vera ny ronono

FIKARAKARANA AZY :
- esorina ilay voan'ny lavanila dia arotsaka ao anaty ronono ary ampangotrahana ;avela hangatsiaka avy eo
- kapohana ny tamenak'atody afangaro amin'ny siramamy ary tsy ajanona raha tsy mihafotsy 
- Etsy anilany , afangaro ny lafarina sy lafarina azo avy amin'ny katsaka ary ampina ilay fangaro atody mamy vao nafangaro tsara tetsy ambony 
- Arotsaka tsikelikely ny ronono mangatsiaka tapaky ny vera ary afangaro tsara 
- Rehefa avy notatavanina ilay ronono nampangotrahana dia arotsaka ao amin'ilay fangaro rehetra tetsy aloha 
- ataingina eo ambony afo malefaka mandritra ny 10minitra ary aroina tsy mijanona mba tsy hiraikitra (afaka asina odim-boasary makirana mba hanome hanitra kokoa)
- rehefa mahazo créme dia esorina ambony afo ary araraka anaty bol ary ampangatsiahana mandritra ny 30minitra 

 

- raisina amin'ny sotro ny crème ary atao ao anaty tartelette efa masaka dia asiana voankazo izay tiana
Ny nampiasaiko tamin'ny fanaingoana dia: kiwi ; mananasy ; frezy ; paiso; voaloboka

  Nahanadron'i Na'ntenaina Andrianome
Mazotoa o 

 

Catégorie: 
Matériels: