Terrine de légumes du soleil

291

 

TERRINE DE LEGUMES DU SOLEIL,
tsy mandany vola, mora atao nefa matsiro tokoa.

Zavatra ilaina :

korzety 3, baranjely 3, karaoty 3, tongolo maintso 3, voatabia 4, tongolo gasy 2, atody 5, dità, bazilika (eo amin’ny mpivarotra legioma eny amin’ny pavillon analakely), sira, dipoavatra, menaka.

Fikarakarana azy: 

1. Voasana ny korzety sy karaoty, tehetina kely ireo legioma : korzety, baranjely, karaoty
2. Endasina ny tongolo maitso, asiana sira sy dipoavatra, arotsaka ny dità, arotsaka ny karaoty, korzety ary baranjely, aroana tsara, arotsaka ny voatabia, andrahoina eo amin’ny antsasak’adiny, haroharoina matetika, arotsaka ny tongolo gasy
3. Afanaina 200° ny lafaoro, kapohina ny atody misy bazilika voatetika kely, asiana sira sy dipoavatra. Arotsaka anatin’ilay legioma mbola mitaingina, haroharoina ary avela kely vetivety ambony afo, tsy avela hivaingana manome « omelette » ny atody
4. Asiana menaka ny manodidna ny "moule à cake", arotsaka ao ny fangaro rehetra. Ataingina eo amin’ny lafaoro eo amin'ny adin’ny iray latsaka kely eo ho eo.

NB: azo atao bain-marie koa na cuisson à vapeur  koa izy ity fa mila saromana tsara amin'ny papier alu ny eo ambony 

Mazotoa indray ary ôh !

de Nancy Andria,

Catégorie: 
Matériels: